Fahasalamana

Antehiroka Nahazo hopitaly vaovao afaka handray ireo bevohoka


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Nahazo CSB I vaovao ny ao amin’ny Fokontany Amboaroy, kaominina Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly

Alarobia 21 desambra no notokanana tamim-pomba ofisialy izany izay foto-drafitrasa natao indrindra hitsinjovana ny reny sy raza ary ireo mpiara-monina tojo tsy fahasalamana. Raha araka ny fantatra dia tsy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Amboaroy ihany no hisitraka ity foto-drafitrasa ity fa ny faritra avaratr’Antehiroka iray manontolo mihitsy. Afa-pahasahiranana tanteraka araka izany izy ireo. Raha tsiahivina moa dia tao anatin’ny telo volana monja no nanaovana ny asa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ben'ny tanàna Rivolalaina Vonjy Arthur sy ny Fondation Axian ary ny BNI Salama no angady nanana sy vy nahitana izany notohanan’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy avy hatrany moa ny mpampivelona sy ny dokotera afaka handray ireo marary sy vehivavy bevohoka tonga manatona ity CSB I vaovao ity manomboka anio alakamisy.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT