Fahasalamana

Antanety Arivonimamo Lanjaina amin’ny hazo ny mpiteraka sy marary


  • Talata 09 Novambra 2021

Mijaly ireo olona mpiteraka sy narary any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanety, distrikan’Arivonimamo II. Lanjaina amin’ny hazo na irony antsoina hoe :

 bao irony mantsy ireo vehivavy handeha hiteraka sy marary entina hamonjy tobim-pitsaboana any amin’izay toerana ahitana izany. Vokany lasa manao dokotera tenany avokoa ny ankamaroan’ny mponina raha miteraka amin’ny Renin-jaza kosa ny vehivavy. Manoloana io tranga io dia nisy ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka entina hanavotana ny mponina. Tsy vitsy tamin’ireo vehivavy handeha hiteraka sy ireo olona marary mantsy no maty eny am-pandehanana. Nisy ny fananganana CSB II ao amin’ity kaominina iray ity. CSB II manara-penitra izy io, ahitana efitrano miisa 11 miaraka amin’ireo karazam-pitaovana toy ny fandriana… Nanome mpitsabo sy mampivelona avy hatrany ihany koa ny Ministera hahafahana mandray an-tanana ireo mpiteraka sy tsy salama.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT