Fahasalamana

Antananarivo sy Toamasina Miato ny fampianarana…


  • Talata 03 Oktobra 2017

Araka ny fanambaran'ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly, dia miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina):

Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II. Amin'ny alatsinainy 9 oktobra izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 6 ireo. Manentana ireo sekoly tsy miankina ihany koa ny minisitera mba handraraka fanafody amin'ny sekoly mandritra io fotoana voalaza io.

Fahadiovana

Mazava ny resaka eto fa efa tena loza mihatra ny fihanaky ny pesta an-tanàn-dehibe ka tsy maintsy naato ny fampianarana mba isorohana ny mety ho fiparitahany izay hitera-doza avy eo. Nitsidika sy nanao fanentanana ho an’ny ady amin’ity valanaretina ity teny amin’ny sekolim-panjakana Ambohimiandra moa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary sy ny solontenan’ny minisiteran’ny fahasalamana omaly. Natomboka teny amin’ny EPP sy ny CEG teny an-toerana ny fandrarahana ranom-panafody ho an’ireo sekoly miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo mba hiadiana amin’ny fihanaky ny pesta. Izay sekoly rehetra vita fanondrahana fanafody, dia hatsahatra mandritra ny 3 andro ny fampianarana mba hiasan’ny fanafody, ary mety tsy hahazaka ny herin’ny fanafody rahateo ny mpianatra, ka izay no nandraisana io fepetra io. Maharitra 6 volana kosa ny herin’ny fanafody. Ny CISCO Antananarivo Renivohitra sy Toamasina no tena hanamafisana io asa fanondrahana fanafody io. Ho an’ny sekoly tsy miankina rehetra, dia manatona ny DREN sy ny CISCO amin’ny toromarika ho azy ireo. Ny mpianatra ahitana trangana atody tarimo na mikohaka misy ra dia hoentina avy hatrany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy vahaolana ny fampiasana tapim-bava na ireny antsoina hoe: “cache bouche” ireny fa ny fahadiovana no vahaolana, raha ny fanehoan-keviny. Tsy ianao no voa fa iny fitaovana iny, dia mety hipetahan’ny otrikaretina ary mety hamindra amin’ny olona manodidina anao, ka tsy tokony hoentina miditra any an-trano na toeran-kafa be olona, fa dorana avy hatrany. Tsy ilaina ny fividianana sy fihinanana fanafody raha tsy voamarina fa voan’ny pesta satria mety tsy handaitra intsony ny fanafody amin’ny fotoana mety tena hahavoa, hoy hatrany ity minisitra ity. Manafatra amin’ny tokony hitandremana amin’ny vaovao samihafa ny minisitra Paul Rabary mba hisorohana ny fampisavorovoroana. Mifampiaro hatrany kosa ny ao anaty fitondrana momba ity zava-doza ity, ka nilaza i Paul Rabary, fa manao ny asany ara-dalàna ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Nahazo fanakianana maro ny minisitry ny fahasalamana, ary tsy vitsy ny fanehoan-kevitra maneho ny tokony hametrahany fialana satria tsy arakaraka ny fampandriana adrisa nataony ny zava-niseho satria nambarany fa voafehy ny pesta.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT