Fahasalamana

Antananarivo sy ny manodidina 21 no matin’ny pesta


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Hatramin’ny volana aogositra teo no ho mankaty dia nahatratra 21, raha ny tarehimarika farany navoakan’ny avy eo anivon’ny ivontoeram-pitiliana ny fahasalamam-bahoaka (IHS) etsy Analakely no matin’ny aretina pesta ho an’Antananarivo Renivohitra,

Atsimondrano sy avaradrano ary Ambohidratrimo. Raha atao isan-jato dia 8,8%. Ny pesta aretin-tratra no tena nandripaka, satria tao anatin’ireo marary miisa 239 dia 177 aretin-tratra avokoa. 38 pesta aretim-boalavo ary 1 ilay antsoina hoe “Cepticemique”. Ekena tokoa, hoy ireo dokotera nanazava omaly, fa efa saika hita isan-taona ny pesta ary nisy hatrany ny fepetra noraisina mba tsy hiverenan’izany intsony saingy raha pesta aretim-boalavo no nitranga matetika dia lasa aretin-tratra izy izao. Efa eo am-panadihadiana ny antony izahay, hoy ireo mpitsabo, satria io no tena nandripaka vetivety. Nanentana moa ny IHS mba ho tompon’andraikitra ny olom-pirenena tsirairay ka hitondra avy hatrany ireo ahiana ho marary any amin’ny tobim-pitsaboana. Hitombo ny olona hotiliana ato ho ato ary hihena ny ho faty satria efa rafitra anisan’ny napetraka ihany koa ny antsoina hoe “Clinique mobile” na fitiliana mandehandeha.

Niakatra 20 ireo faritra mena

Raha 15 teo aloha ireo faritra mena dia efa lasa 20 amin’izao fotoana. Anisan’ireo tafiditra Andraisoro, Antsahatsiroa, Tsarahonenana, Saropody, Androndra ary Ankaraobato. Nisy ny fivoriana teknika niarahana tamin’ireo mpanao gazety omaly. Ny mahagaga dia hatramin’ny volana desambra izao vao mifarana ny tetikasa. Mety hanapitra ny taona mihitsy ary ve ity aretina ity ?

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT