Fahasalamana

Antananarivo renivohitra Tratran’ny gripa mahery ny 70% n’ireo manatona mpitsabo


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Mbola tena miparitaka be ny gripa mahery eto an-drenivohitra. Ny 70%-n’ireo olona tonga manatona tobim-pitsaboana dia saika voany avokoa indrindra taloha sy taorian’ny fetin’ny Noely.

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Hary Rakotondratrema, lehiben’ny tobim-pitsaboana iray etsy Andravoahangy dia tafakatra 40 ka hatramin’ny 50 isan’andro amin’izao ireo marary tonga manatona azy ireo raha 20 isa teo aloha. Mila mitandrina araka izany ny rehetra indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao. Mitovy amin’ny fisorohana ny aretina COVID 19 ihany moa ny fisorohana ny gripa mahery toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fanajana ny elanelana 1 metatra, indrindra fa ny fihinanana voankazo sy legioma isan’andro ampian’ny fahampian’ny torimaso sy ny fisotroana rano betsaka.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT