Fahasalamana

Antananarivo Renivohitra Toerana 30 mbola miotrika pesta ?


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Fantatra fa nisy vehivavy iray 53 taona nampidirina teny amin’ny hopitaly manara-penitra eny amin’ny Route Digue Andohatapenaka omaly alarobia 8 novambra ary voalaza fa voan’ny « peste bubonique » izy io.


 Nilaza omaly ny minisitry ny fahasalamana fa na dia efa ho fongana aza ny pesta dia mila mailo ny rehetra. Manambara izany fa mbola misy ny pesta. Raha ny fantatra avy amina loharanom-baovao iray dia mbola manodidina ny 30 eto Antananarivo Renivohitra  ireo antsoina hoe « foyers actifs » na toerana sokajiana fa mety mbola misy valanaretina pesta miotrika, dia Ambohidroa, Amboavahy, Soavimasoandro, Analamahitsy, Amboditsiry, Ambohimahitsy, Ambohidahy, Manjakaray, Andohatapenaka, Antohomadinika, Tsaramasay, Ankadifotsy, Anjanahary, Amboditsiry, Ambohimirary, Ampanotokana, Andraisoro, Ampahibe, Ambanidia, Mandroseza, Mahazoarivo, Androndra, Namontana, Anosipatrana Ouest, Andrefanambohijanahary, Ampefiloha, Isoraka ary Andavamamba. Ireo ny zava-misy tamin’ny datin’ny zoma 3 novambra lasa teo, saingy ny serasera amin’ny alalan’ny tarehimarika moa no tena nohamafisin’ny fitondram-panjakana mba hampitoniana ny sain’ny olona ka novoizina fa efa maro be ny sitrana ary tsy misy intsony ny maty. Saingy rehefa tsy misy ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny pesta amin’ireo toerana sokajiana ho faritra mena dia mbola atahorana foana ny hiparitahan’ity valanaretina ity amina olona maro. Fomba fiasa sy fiatrehana valanaretina lehibe ( tamin’ny 2014 tamin’ny andron’ny praiminisitra Kolo Roger izay sady minisitry ny fahasalamana tamin’izany fotoana no fantatra fa nampiasaina tamin’ny fiatrehana ny pesta tamin’ny 2017 fa tsy nisy ny drafitra vaovao, hoy hatrany io loharanom-baovao iray io. Manampy izay, toa miandry hahazo fanampiana fotsiny ny fitondram-panjakana fa tsy manana drafitr’asa mazava ary avy eo tsy mbola mangarahara ny fitantanana ireo fanampiana azo. Tsy nirohotra nanome fanampiana tahaka ny natao omaly ireo firenena vahiny mpiara-miasa amin’i Madagasikara raha toa ka efa azo antoka fa voafehy ny pesta, indrindra ho an’Antananarivo Renivohitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT