Fahasalamana

Antananarivo renivohitra Nodiovina ny teny amin’ny 67 ha


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Mbola betsaka ireo faritra maloto eto Antananarivo Renivohitra ka ilana fanadiovana maika, ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Anisan’ny nanaovan’ireo hery velona rehetra ao amin’ny Boriborintany voalohany ezaka ny teny 67 ha sy ny manodidina, tamin’ny talata lasa teo.

Tonga nanatevina izany ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Boriborintany fahafito sy ny solontenan’ny mpivarotra eny an-toerana ary ireo mponina avy amin’ny fokontany manodidina. Tanjon’ny rehetra moa ny mba hahafahana mamerina indray ny hasin’Antananarivo, amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy. Narahina fanentanana ny amin’ny tsy tokony hanariana fako eny rehetra eny izany, satria izay tsy mandoto dia efa naman’ny manadio ihany. Anisan’ny nanaovana hetsika manokana, nandritra ny asa izay natao, ny fanadiovana ny tata-drano rehetra,  izay marihina fa saika tsentsina avokoa, vokatry ny hamaroan’ireo fako sy tavoahangy plastika arian’ny sasany eny rehetra eny.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT