Fahasalamana

Antananarivo Renivohitra Ho afaka ao anatin’ny iray volana ny fako rehetra


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Ho afaka ao anatin’ny iray volana ny fako rehetra manerana ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra.

 

Io no fanamby napetraky ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly, nandritra ny fampahafantaran’izy ireo ny fahatongavan’ilay fiara lehibe  mpamafa lalana sady mpandraraka rano ary mpanondraka THT hahafahana miady amin’ny aretina pesta. Toerana maro no nanaovana andrana toy ny teny Ambohidahy hatreny Mahamasina, toerana hiangonan’ny mpivarotra marobe tokoa, anio alakamisy. Raha araka ny fanazavan-dRamatoa  Lalao Ravalomanana, Ben’ny tanànan’Antananarivo  dia hiasa andro aman’alina ity fiarabe ity, hitety ireo boriborintany rehetra. Hanampy azy  amin’izany ireo mpamafa lalana eo anivon’ny kaominina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny sehatra tsy miankina no angady nananana sy vy nahitana ity fiara ity, niampy ny fanampiana avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara any  ivelany. Miantso ny mponina mba samy hitandro ny fahadiovana ny Ben’ny tanàna. Rehefa tsy mandoto mantsy, hoy izy, dia efa naman’ny manadio ihany. Miantso ny isam-baravarana ihany koa ny tenany mba hazoto amin’ny fandoavan-ketra, hahafahan’ny kaominina mividy fitaovana raitra sy manaraka ny fivoaran’ny toetrandro tahaka ity fiarabe vaovao ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT