Fahasalamana

Antananarivo 141 no mararin’ny pesta eny amin’ny hopitaly


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Tsy nisy ny olona voaporofo ara-medikaly fa voan’ny pesta tato anatin’ny 3 andro izao, izay midika fa manomboka mihena ny tratran’ity valan’aretina ity, hoy ny minisitry ny fahasalamana ny Pr Lalatiana Randriamanarivo, omaly, teny Ambohidahy.

 


 

 Namoaka ny tarehimarika nasionaly farany io omaly io ny minisiteran’ny fahasalamana ka nahafantarana fa 262 ny olona voan’ny pesta mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana ary miisa 554 no efa sitrana hatrizay. 95 ireo namoy ny ainy nanomboka ny 1 aogositra  ka hatramin’ny  18 oktobra lasa teo. Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano  sy Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I no anisan’ny mbola ahitana marary maro indrindra tato anatin’ny andro vitsy. Ho an’Antananarivo manokana dia mahatratra 141 ny voan’ny pesta mbola tsaboina eny amin’ireo hopitaly maro samihafa amin’izao fotoana. Fa somary nanaitra kely nandritra ity fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fitsarana teny Ambohidahy omaly ity ny hoe misy olona miisa 124 ahitana trangana aretina pesta  tsy voafaritra  mazava hoe inona, izany hoe sady tsy « Pulmonaire », tsy « bubonique » ary tsy « septicémique ».

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT