Antalaha_Fihinana fano

Maro no marary, tafakatra 5 ny namoy ny ainy


  • Talata 06 Aogositra 2024

Mitombo isa ireo maty vokatry ny fihinanana fano an-dranomasina any Antalaha amin’izao fotoana izao.

Tafakatra 05 ny olona maty ka zaza sy tanora avokoa ny ankamaroan’ireo, raha ny fampitam-baovao. Nanomboka tamin'ny tao amin'ny 03 Aogositra 2024 teo no voalaza fa nividy henana fano an-dranomasina izy ireo rehefa nisy nanao varo-mandeha an’izany tao Ambinany atsimo, Fokontany Ambatomitraka distrikan’ Antalaha. Ankoatra ireo namoy ny ainy, betsaka no nanaovana fizahana ara-pahasalamana. Tsy azo hohanina mandritra ny taona ny fano fa misy poizina ka mety hitarika hatramin'ny fahafatesana sady isan’ny biby harovana ihany koa izy. Efa ahina ho lany tamingana ka tsy azo jonoina ihany koa. Ankoatra ny fano, misy ihany koa ireo hazandrano hafa toy ny trondro izay misy fotoana tsy azo hohanina, indrindra amin’ny vanim-potoana mafana tahaka izao noho izy mihinana lomotra na zavatra hafa misy poizina. Misy ny fampahafantarana sy fanentanana isan-taona mikasika izany, saingy mbola betsaka ihany no roboka tahaka io tranga any Antalaha io, ka mila hamafisina mba tsy hampidi-doza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT