Fahasalamana

Anosizato sy ny manodidina Zazalahy kely 115 isa no noforaina maimaimpoana


  • Alarobia 23 Mey 2018

Zazalahy kely 115 isa no indray noforaina maimaimpoana ny faran’ny herinandro teo teny Anosizato. Zazalahy kely avy ao Anosizato, Tanjombato, Itaosy sy ny manodidina izy ireo ka herin-taona latsaka no zandriny indrindra raha valo taona no zokiny.

 

 Ny sendikan’ireo Paramed eto amintsika no nikarakara ny hetsika, nahitana dokotera mpandidy hatrany amin’ny 30 isa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana HAFARI Malagasy izay tohanan’ity sendika iray  ity no angady nananana sy vy nahitana ny hetsika entina hitsinjovana sy hanampiana ny tokantrano Malagasy izay efa saika latsaka an-katerena avokoa ny ankamaroany ankehitriny. Raha ny fantatra dia 100.000 Ar eo no mamora zazalahy kely iray  eny anivon’ny dokotera tsy miankina  raha amin’ireo fomba maoderina toy ny amerikanina no safidin’ireo ray aman-dreny. Mbola 15.000 Ar kosa ho an’ireo misafidy ny haka rainjaza saingy hiantohana  ny sakafony  sy ny saran-dalany mandroso sy miverina. Tena hery lehibe ho an’ireo mponina eny Atsimondrano ny fisian’ity hetsika iray ity.  Zazalahy kely maromaro nanana aretina toy ny hernie  ihany koa no hodidian’ireto paramed ireto maimaimpoana ankoatra ny kilalao sy ny harendrina natolotry ny fikambanana HAFARI Malagasy ho azy. Horaisin’ity sendikan’ny Paramed ity  an-tanana ny fitsaboana ireo ankizy vita didimpoitra raha sanatria ka misy olana ny toe-pahasalamany taorian’ny fandidiana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahefa-taona nisian’ilay tetikasa fifindra-monina karakarain’ity fikambanana ity moa ny hetsika, izay nofaranana tamin’ilay kermesy lehibe sy fisarihana ilay môtô lehibe iray marika BWS ny alatsinainy teo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT