Fahasalamana

Anosibe sy ny manodidina Hodiovina mandritra ny roa andro indray


  • Talata 24 Oktobra 2017

Na dia tsy mbola nahitana ny trangan’aretina pesta aza teny amin’ny tsenan’Anosibe, hoy Ramarosandy Landry lehiben’ny tsena ao an-toerana dia hotanterahina manomboka anio indray ny asa fanadiovana faobe eny an-toerana sy ny manodidina.

 

 Haharitra roa andro izany izay hatomboka eny amin’ny lalamby, mandalo ny tsenan’Anosibe mipaka hatrany Ambilanibe, toerana tena feno mpivarotra amoron-dalana. Hiarahana amin’ny Boriborintany fahefatra ny hetsika. Hisy ny fampiatoana ireo mpivarotra mandritra ny fotoana fohy hahafahana manao ny asa. Ho an’ny tsenan’Anosibe manokana, fantatra fa an-jatony ireo olona handray anjara ao. Ankoatra ireo mpivarotra izay hizarana fitaovana fanadiovana toy ny kifafa sy ny sobika maimaimpoana dia ho avy handray anjara ireo fikambanana maromaro toy ireo mpanao rugby eny ambany tanàna, ny fikambanan’ny delegen’ny mpivarotra. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora antoandro ny hetsika. Tanjona ny hampandraisana anjara ny rehetra amin’ny asa fanadiovana ny tanàna ho fisorohana sahady ireo karazana aretina mety hateraky ny ranon’orana ankoatra ny pesta.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT