Fahasalamana

Ankizy ôtista Manolo-tanana azy ireo ny vondrona Star


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Iray amin’ireo ankizy miisa 53 eto Madagasikara ankehitriny no fantatra fa manana toe-batana ôtista, tarehimarika tsy mbola tena ofisialy.

Miseho amin’ny endrika maro izy io toy ny tsy fahafahan’ilay zaza na ankizy miteny,  ny fitokanany monina nefa kosa mampiavaka azy ireny ny fananany fitiavana be. Ivontoerana iray mandray an-tanana azy ireny ny Centre Sammy’O eny Ankadivory Ambohimamory. Miisa 10 ireo ankizy ôtista beazina ao ankehitriny, telo ka hatramin’ny 15 taona. Mba ho fanampiana  amin’ny fitaizan’ny foibe azy ireo, indrindra amin’ny fahazoana rano fisotro madio dia tonga nitokana sy  nanolotra  sinibendrano iray vaovao  ho azy ireo ny vondrona Star omaly. Mitentina 5 tapitrisa Ar ny vola lanin’ity orinasa iray ity tamin’ny fanamboarana noho ny fahafantaran’izy ireo fa  toerana saro-drano ao Ankadivory Ambohimamory. Hahazoana rano fisotro madio 1000 litatra io fitaovana io hahazoan’ireo ankizy ôtista midio sy mahandro ny sakafony araka ny tokony ho izy. Tanjona tamin’izao hetsika izao, hoy Ramatoa Rahary Anna, sekeretera jeneraliny hahafahana manatsara ny fiainan’ireo ankizy ôtista eto amintsika. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2005 no niorina ny Centre Sammy’O  eo anivon’ny Amies des autistes de Madagascar.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT