Fahasalamana

ANKIZY MARENINA Mbola maro ireo tsy tafiditra an-tsekoly


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Mbola maro amin’ireo ankizy marenina eto amintsika no tsy tafiditra an-tsekoly. Ny ampahatelon’izy ireny no fantatra fa mba manana fahafahana fa ny ankoatra izay dia mirenireny fotsiny.

Noho ny tsy fahampian’ny sekoly mandray an-tanana azy ireny no antony. Misy amin’ireo ray aman-dreny koa no manafina azy ireny, ankoatra ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Eto Antananarivo Renivohitra manokana dia mbola ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha no mandray an-tanana azy ireny. Vokany, betsaka amin’ireo ankizy marenina eto amintsika no misedra olana tanteraka raha tokony ho olona afaka hiatrika ny fiainany toy ny olon-drehetra, tsy ho vesatry ny fiarahamonina intsony. Hetahetan’ireo akany mitaiza ankizy marenina eto amintsika ny hananganan’ny fanjakana ivontoerana mifandraika amin’izany. Nankalazaina omaly teto amintsika ny andro maneran-tany ho an’ny olona marenina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT