ANKIZY KAMBOTY VOKATRY NY SIDA

An-tapitrisany maro nanomboka ny 2015


  • Alarobia 08 Mey 2024

Tsy ny lehibe ihany no mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Vih/SIDA

manerantany fa ny ankizy tsy manan-tsiny ihany koa. Mahatratra an-tapitrisany maro izy ireo no kamboty nilaozan-dRay na ny Reniny nanomboka ny taona 2015 no mankaty raha araka ny fanadihadiana natao. Noho ny fisian’ireo olona lasibatr’ity areti-mandoza iray ity 4 isaky ny 15 segaondra manerantany no voalaza fa anton’izany, ireto farany izay tsy mahalala manao fitiliana ihany koa ny ankamaroany nefa tsy mitsahatra manaparitaka ilay aretina. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia vao 7 isa amin’ireo 1000 ahiana ho marary no mbola manaraka fitsaboana amin’izao. Ankoatra ny fiarahan’ireo mitovy fananana dia anisan’ny antony mampifindra haingana ity tsimok’aretina ity ho antsika eto an-toerana ihany ny fivarotan-tena izay mirongatra fatratra amin’ny tambajotran-tserasera Facebook raha eo ihany koa ny fampiasana ireo karazana fitaovana tsy voadio. Ireo tanora no tena maro an’isa voa vokatr’izany. Fantatra moa fa mifindra amin’ny alalan’ny fampinonoan-dReny ihany koa ny aretina SIDA. Nankalazaina omaly Talata 07 May ny andro manerantany hahatsiarovana manokana ireo ankizy kamboty vokatry ny areti-mandoza SIDA. Mbola tsy hananantsika salan’isa izy io raha ho an’i Madagasikara manokana.
Pati
Legende : Ireo olona marary nefa malaina manao fitiliana no tena manaparitaka ny aretina SIDA manerantany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT