Lehilahy iray 62 taona no torana teny anoloan’ny Farmasia Ankazomanga omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany. Sempotra ary nikohaka no nahitan’ny olona azy.
Namily fiara niaraka tamin’ny patroany no sempotra tampoka. Nivoaka ary nilaza ny hamonjy mpitsabo. Efa mahazo azy ilay sempotra saingy tsy sempotra be ohatran’ny niseho, raha ny fanazavany. Tsy aretina mpahazo azy, fa sambany izy no torana, hoy ny fianankaviany. Aretin’ny tosi-drà sy goty no mpahazo azy. Noraran’ny mpitandro filaminana tsy hanantona azy ny olona nijery ny zava-misy. Nantsoina ny laharana 910 an’ny CCO Covid-19 ka tonga teny an-toerana naka azy. Nentina eny amin’ny Hopitaly Befelatanana. Fiakaran’ny tosidra no voalaza nahatorana azy, raha ny vaovao farany.
TSY COVID 19
Nizaha ny marary ny ekipan’ny ny BIS na ny “Brigade d’Intervention Spéciale”, araky ny fandaminana sy ny toro-marika avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny « Centre de Commandement Opérationnel CCO Covid 19 ». Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BIS, notarihin’ny Médecin Capitaine Masina Ndalana d’Assise, dia tsy fahasemporana vokatry ny tsimok’aretina coronavirus no nanjo ity rangahy ity fa noho izy efa taizan’aretin’ny tosi-drà na « tension » sy vokatry ny aretim-po.Tsy vao izao no nisiana olona mitsirara an-dalambe teto Antananarivo sy ny manodidina fa efa maro, na nialoha na tato anatin’ny efa nahatafidiran’ny coronavirus. Teny Anosibe sy Namontana, ohatra, dia efa olona 3 no maty an-kalamanjana, teny Ambatomaro efa nisy olona nitolefika teo an-dàlana, teny Andoharanofotsy,… Eo ny mety ho fisian’ny aretina, fa noana ihany koa ny vahoaka.
Toky R sy J Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.