Fahasalamana

Ankazomanga Atsimo Tsy misy andraso andraso ny fanadiovana


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Mitohy ny fanadiovana ny lakandrano samihafa eto Antananarivo Renivohitra. Raha namonjy fotoam-pivavahana maraina ao amin’ny FJKM Ankazomanga ny Ben’ny

tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana sy ny mpanolontsaina manokany Marc Ravalomanana ny alahady 24 desambra 2017 teo dia nahatsikaritra fa mila fanadiovana ny lakandrano eny amin’iny faritra iny ka avy hatrany dia nanome toromarika. Tsy nisy ny andraso andraso fa avy hatrany dia tonga teny an-toerana ny alarobia 27 desambra 2017 ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanao ny fanadiovana tetsy Ankazomanga Atsimo. Nisy ny fampiasana fitaovana arifomba “Pelle de dragage” nanala ny fotaka sy ny fako manentsina ny lakandrano. 350 metatra ny halavan’ny lakandrano hodiovina ka ny 100 metatra amin’izany ao anatin’ilay antsoina hoe : “Canal C3” no ampiasana ilay fitaovana lehibe fa ny ambiny kosa izay amin’ny faritra tery sy miditra any anaty tanàna dia tsy maintsy hanaovana asa tanamaro. Resy lahatra ny mponina teny Ankazomanga Atsimo fa zava-dehibe tokoa ny fahadiovana. Misy ny andraikitry ny tsirairay satria rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio araka ny efa averimberin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ombieny ombieny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT