ANKADIKELY ILAFY

Hozahana maimaimpoana ny fahasalaman’ny vehivavy


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Tsy handalo fotsiny ny datin’ny 08 Martsa, andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy

ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano. Ireo tena maharary ny vehivavy mihitsy mantsy no hanaovan’izy ireo hetsika manokana dia ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana izany. Amin’ny ankapobeny dia tsy manana fahafahana ny hizaha fahasalamana intsony ny ankamaroan’ny vehivavy amin’izao. Raha vantany vao mandeha dokotera dia 20.000 Ar avy hatrany no tsy maintsy homanina raha mbola hafa ihany koa ny vidim-panafody. Anisan’ny antony manosika ny sasany hanao dokotera tenany io tranga io, arahin’ny hasarotan’ny fiainana izay tena mampitaraina ny maro tokoa. Hisy araka izany ny fitiliana ny diabeta, ny tosi-dra, ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ao Ankadikely Ilafy ao amin’io Sabotsy 08 Martsa io. Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hetsika hotanterahina ao amin’ny kianja Fifankatiavana. Tanjona ny hanampiana ny vehivavy mba hahafantatra ny toe-pahasalamany. Mandringa tsy afa-mandroso mantsy ny tokantrano iray raha vantany vao ny vehivavy na ny Renim-pianakaviana iray no tsy ao intsony na namoy ny ainy.
Pati
Legende : Tsy handoavam-bola ny hetsika hatao tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT