Fahasalamana

Andry Rajoelina Tafiditra any Etazonia na tsy vita vaksiny aza ?


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Vao miresaka hoe: fivoahana ny firenena sy fidirana any amin’ny Firenen-dehibe, dia isan’ny mitana ny sain’ny maro ny hoe efa vita vaksiny fanefitry ny Covid 19 ve izany ny Filoha Andry Rajoelina, izay lasa any Etazonia ?

 Amin’ny ankapobeny, tsy misy mahazo miditra ao Etazonia raha tsy efa vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 . Vao roa herinandro izay no nanamafy ny fanaovana vaksiny ho an’ny ao anatiny ny Filoha Amerikanina Joe Biden, nandray didim-panjakana manery amin’ny fanaovana vaksiny ao anatiny, mainka fa ho an’izay avy any ivelany miditra any. 200 tapitrisa eo ny Amerikanina efa nitsindrona vaksiny andiany voalohany, ary mikendry ny mbola hanaovan’ny olona 100 tapitrisa vaksiny ry zareo satria tena mirongatra ny Variant Delta. Novoizin’i Andry Rajoelina hatramin’izay fa mbola tsy vita vaksiny fa miaro tena amin’ny CVO. Mampametra-panontaniana hatrany noho izany hoe: vaksiny mangingina tany ambadika tany ve ny Filoha Rajoelina ? Ny 10 jona 2021, raha nanontaniana ny heviny momba ny mpitondra ambony tokony ho fitaratra amin’ny vaksiny ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia naneho fa efa nanao vaksiny mangingina tany ireo. Nandritra ny diany tany Frantsa farany teo moa dia nilaza ny Fanjakana fa nampiseho ny valina fitiliana maneho fa miiba ny Filoha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT