ANDRO MIOVAOVA MAFANA-MANGATSIAKA

Mamemy gripa mahery, ilaina ny mihinana voankazo


  • Zoma 21 Martsa 2025

Miaina ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro tanteraka indray isika eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Raha tena nahazo vahana ny hafananabe andro maromaro lasa izay dia nivadika ho mangatsiaka indray nanomboka afak’omaly Alarobia izay fantatra fa hitohy mandritra ny 3 andro. Tafidina hatrany amin’ny 11 degre mihitsy ny maripana tany Antsirabe ny farany ambany indrindra raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro raha 17 degre ny teto an-drenivohitra omaly Alakamisy 20 Martsa. Manampy trotraka izany ny hatsiaka re vao maraina sy amin’ny alina izay toy ny efa mamofompofona vanim-potoanan’ny ririnina mihitsy. Miteraka karazan’aretina maro samihafa eo amin’ny vatan’olombelona izany, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Rija Mandimbisoa, eo anivon’ny Centre Ainasoa. Midina avokoa mantsy ny hery fiarovan’ny olombelona tratran’izany hany ka mahazo vahana ny gripa mahery, ny aretin-kibo, ny aretin’ny taovam-pisefoana…Vahaolana arosony araka izany ny tokony hampiakarana ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinanana voankazo sy legioma. Toraka izany koa ny fahampian’ny torimaso mandritra ny ora 8 isan-kalina, ny fanaovana fanatanjahantena ary ny fisotroana rano 1 litatra sy tapany isan’andro ho an’ny olona iray. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ihany koa ny fanaovana na fivimbinana akanjo mafana hatrany isan’andro na manao ahoana toetry ny andro na manao ahoana.
Pati
Legende : Mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana ny fihinanana voankazo sy legioma betsaka isan’andro !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT