Fahasalamana

Andro maneran-tany momba ny “autisme” Hiova endrika ny fanamarihana azy


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Ny 02 aprily no fankalazana ny andro eran-tany ho fanentanana momba ny ôtisma. Manoloana ny fihibohana na eto Madagasikara na koa any amin` ireo firenena hafa dia miatrika fahasahiranana goavana ireo olona ôtista sy ny fianakaviany.

 

 

 Ny fikambanana Autisme de Madagascar, tamin` ny alalan` ny filoha mpanorina, Mbolatiana Raveloarimisa, dia nampahafantatra fa noho ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana dia foana aloha ny fivoriamben` ny Autisme Océan Indien izay tokony hotontosaina ny 06 sy 07 aprily izao. Marihana fa manana mpikambana mpilatsaka an-tsitrapo misandrahaka amin’ny Faritra 8 eto Madagasikara moa ny fikambanana “Autisme Madagascar”. Nanambara ihany koa izy fa toy ny olon-drehetra dia mila fampiononana sy fahatokisana ihany koa ny olona ôtista sy ny fianakaviany mandritra io fotoam-pihibohana io. Noho izany, manasa ny rehetra, izay maniry hanohana an` ireo ôtista, amin` io andro natokana azy ireo io mba haka sary amin` ny fitafy miloko manga sy hanaparitaka izany amin` ny tambajotra sosialy miaraka amin`ny famantarana “#hafakely”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT