Fahasalamana

Andriambavy Anne Elisabeth Mandalo eto amintsika, hitsidika ny BMH Isotry


  • Talata 24 Oktobra 2017

Mandalo eto amintsika nanomboka omaly alatsinainy 23 oktobra ny Andriambavy Anne Elizabeth Alice Louise sy ny vady andefimandriny, ny Vice-amiral Timothy Lawrence.

Raha tsiahivina, zanaky ny mpanjakavavy Elizabeth II, mpanjakan’i Angletera sy ny Printsy Philippe ny Andriambavy Anne Elizabeth Alice Louise. 50 taona mahery izy ankehitriny izay mpanao asa soa ikoizana maneran-tany manampy ireo ankizy tsy ampy sakafo sy ireo lasibatry ny aretina. Tonga nitsena azy teny am-pahatongavana omaly, ny vadin’ny filoham-pirenena, Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina notronin’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta, notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier. Maro ny fandaharam-potoanan’ny mpanjakavavy mandritra ny fandalovany eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny fitsidihana  ireo toerana manan-tantara toy ny any amin’ny Nosy Radama any Nosy-be Hell ville sy ny  Commonwealth War Graves Commission Cemetery any Diégo-Suarez. Hihaona amin’ireo fikambanana misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy miady amin’ny fahantrana ihany koa ny tenany hahafahan’ny roa tonta miara-miasa sy mifampizara traikefa. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana moa dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fandalovana etsy amin’ny BMH Isotry hijerena manokana ny resaka  fahadiovana.

 

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT