ANDRANOFASIKA AMBATOBOENY

Mpivady voan’ny SIDA nanjavona tsy hita


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Atahorana mafy ny fihanaky ny tsimok’aretina VIH/SIDA any amin’iny distrikan’Ambato Boeny iny.

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Solohery Ramanantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny CSB Andranofasika mantsy dia nisy mpivady izay samy voamarina fa voan’ny aretina SIDA hita sy nandalo tao amin’izy ireo saingy tsy hita intsony taorian’ny nandefasana azy teny amin’ny hopitaly ambonimbony kokoa. Bevohoka ilay Ramatoa raha araka ny fanazavany, izay tsy maintsy manao fitiliana SIDA rehefa manara-maso ny fahasalamany eny anivon’ireny CSB ireny. Rehefa voamarina fa marary ity farany dia notiliana ihany koa ny vadiny ary fantatra fa samy mitondra ny tsimokk’aretina VIH/SIDA izy mivady. Nomena taratasy mba hahafahany manatona hopitaly misy dokotera manam-pahaizana manokana izy ireny vokatr’izany saingy teny an-dalana dia nanjavona. Miantso ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hanofana ireo mpitsabo eny anivon’ny CSB mikasika ny fandraisana an-tanana ireo olona mararin’ny SIDA ity dokotera ity vokatr’izany. Toraka izany koa ny fanamafisana ny fanentanana hatao amin’ny mpiara-belona.
Pati
Legende : Amin’ny alalan’ny fitiliana irery ihany no hamantarana ny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT