Fahasalamana

Andrana amin’ny vaksinin’ny Coronavirus Mbola tsy miditra amin’izany i Madagasikara


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Niteraka resabe ny mikasika ny vaksiny hiadiavana amin’ny Coronavirus, ka ao anatin’izany ilay hoe aty Afrika no hanaovana fanandramana voalohany.

 

 

 

 Tsara marihina, fa misy dingana maro sy ambaratonga vao afaka avoaka sy ampisaina izany, hoy Dr Ramamonjisoa Bodo avy amin’ny Direction de la vaccination, ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Ho antsika eto Madagasikara dia misy ny vondrona teknika fakan-kevitra (Groupe Technique Consultative) izay manapa-kevitra na hampiditra ny vaksiny isika na tsia, hoy ny fanazavany. Mbola tsy ao anatin’ny fampidirana ny vaksiny izany isika, fa mbola manaraka hatrany ny toromariky ny filoham-pirenena. Manana ny safidiny ny firenena iray na hanaiky na tsia, ary mbola tsy amin’izany mihitsy isika, fa ao anatin’ny fanarahana ny toromariky ny filoham-pirenena sy minisiteran’ny fahasalamana, hoy izy nanamafy. Tsara ampahatsiahivina fa ireo vaksiny mahazatra nahabotrabotra ny zanakitsika, dia manana vaksiny miady amin’ny aretina 11 isika: kohadavareny, kitrotro, meningite,  lefakozatra,… Mitohy isan’andro ireny, fa tsy maintsy hajaina ny fepetra amin’ny fisorohana ny coronavirus. Maimaimpoana ny vaksiny mahazatra, ary misy ny fiaramanidina mitondra ireo hiatrehana ny covid 19, ka misy hatrany ihany koa ireny vaksiny mahazatra ireny. Manao izay hisian’ireny vaksiny ireny any amin’ny tobim-pahasalamana rehetra rahateo ny mpiara-miombon’antok amintsika, raha ny fanazavana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT