Andavamamba, Soavimasoandro

500 latsaka kely no voatsabo teny


  • Alarobia 27 Novambra 2024

Andavamamba sy Soavimasoandro Miisa 436 hatreto ireo olona nanaovana fizahana ara-pahasalamana sy nomena

fanafody maimaimpoana teny Andavamamba sy Soavimasoandro tao anatin’ny 2 herinandro izay. Tena zava-dehibe ho anay, satria miantoka ny ainay mihitsy izao ataon-dry dokotera izao, ary isaorana i Tahina Razafinjoelina nikarakara anay, hoy ireo mponina. Izao no tena ilainay satria tsy vitanay ilay hanatona dokotera sy hopitaly, izahay tsy manam-bola. Fanasoavana lehibe izao ary tena tsy ho adinonay hoy ireto mponin’ambany tanàna ireto. Aretina mpahazo ny olona Aretina azo avy amin’ny loto izay mitarika aretin-koditra , gripa, ratra tsy voatsabo tsara miitatra ho nana , aretin-kibo ary fiakaran’ny tosidra no matetika mpahazo ny olona. Fitsaboana sahaza, fanafody araka ny tokony ho izy Tsy vitan’ny hoe fizaham-pahasalamana fotsiny no nataon’ny Dr Liva Andrianarijaona sy ny namany fa eto ihany koa ny fitsaboana sy fanomezana fanafody araka ny tokony ho izy, ahazoana antoka fa hahasitrana. Natao izao hetsika izao mba ho fanampiana ireo mponin’Antananarivo tena sahirana sy tsy manana fahafahana hanatona dokotera.Tafiditra ao anatin’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo miaraka amin’ny kandida Tahina Razafinjoelina moa ity hetsika ara-pahasalamana ity. Efa teny Andavamamba sy Soavimasoandro , fa mbola ho avy ihany koa ny eny Nanisana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT