Fahasalamana

Ampasina Andina Ambositra Marary nify ny ankamaroan’ny mponina


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Ratsy nify ny 80 %-n’ny Malagasy. Antony maro no mahatonga izany toy ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fahaizana mikojakoja ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava.

 

 Ho an’ny kaominina Ampasina Andina, any Ambositra manokana dia mahatratra 60 isan’andro amin’izao ireo olona tonga manala nify, manararaotra ireo olona valo mianadahy mpitsabo nify avy any Alemaina  mandalo any an-toerana. Ao amin’ny “Centre Médical Communautaire” no hanatanterahana ny hetsika, izay tsiahivina fa natsangana vokatry ny fiaraha-miasan’ny GROUPAMA Frantsay malala-tanana avy any Alemaina izay marihina fa misy trano fiterahana, misy trano fitsaboana, misy laboratoara hijerena ny kankana … Ireo  vahoaka ao amin’ny fokontany Ampasina kosa no niantsoroka ny fanamboarana ny trano. Arahina fampianarana ireo mponina momba ny fikojakojana ny nify sy ny ativava izany. Maimaimpoana ny fanalana ny nify sy ny fanafody rehetra. Misy mponina miisa 24.400 moa ao Andina ankehitriny, miparitaka amina fokontany miisa 15. Ny ady amin’ny aretina bilarziozy sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no asa maika hiantsorohan’ny ben’ny tanàna Rakotozandrindrainy amin’izao fotoana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT