Fahasalamana

Ampanihy Andrefana Nomena « Bloc Opératoire » nefa tsy misy mpandidy


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Malaza tsy hihinanana ilay « Bloc Opératoire » ao Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana. Misy toeram-pandidiana nefa tsy misy dokotera mpandidy.

 

 

 Tonga nitokana ny fotodrafitrasa tany an-toerana mihitsy ny filohan'ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny 5 jolay 2018. Nisy marary avy any Androka nandalo fandidiana ny andron’ny fitokanana, nanaporofoana fa efa azo ampiasaina ity « Bloc Opératoire » ity. Nanantena ny vahoaka fa tena hamaha olana ho an'ny marary mila fandidiana maika toy ireo vehivavy saro-piterahana izy io saingy indrisy, tsy misy dokotera mpandidy ao hatramin’izao. Ny faran’ny herinandro teo izao dia nisy vehivavy bevohoka sisikoditra mila fandidiana dia voatery nentin’ny fianakaviana namonjy ny hopitaly SALFA ao Ejeda, toerana any amin’ny 50km miala an’Ampanihy sady ratsy lalana alaina adiny roa amin’ny fiara 4X4 fa adiny efatra raha taksibrosy. Vita soa amantsara ny fandidiana ity vehivavy ity. Ny marary sasany mila fandidiana kosa entina any amin’ny hopitaly Zoara ao Fotadrevo, izay toerana ratsy lalana ihany koa, 103 km miala an’Ampanihy, ka anairan'ny mponina ny minisiteran'ny fahasalamana hijerena vahaolana satria hafahafa ihany izany toeram-pandidiana tsy misy dokotera mpandidy izany nefa distrika manana ny maha izy azy Ampanihy.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT