Fahasalamana

Ambositra Nahafaty olona iray indray ny pesta


  • Zoma 05 Aprily 2019

Mivarahontsana indray ny mpanara-baovao amin’ny fiverenan’ny areti-mandoza pesta amin-kery.

Vehivavy iray vao erotrerony 26 taona no matin’ny valanaretina pesta aretin-tratra, ny alatsinainy teo, sahabo tamin’ny 2 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava, naiditra hopitaly tao Ambalamanakana, Ambositra izy saingy efa tara ny fahatangavany tao ka tsy tana ny ainy. Taorian’ny fanadiovana sy ny famonoana mikraoba ny razana dia nalevina ny ampitso maraina sahabo ho tamin’ny 7 ora izy. Marihina fa tsy nisy ny fiaretan-tory fiandrasam-paty mba isorohana ny fihanaky nyy aretina. Nandray an-tanana ny fomba arahina sy ny fepetra tamin’ny niharam-boina ny manampahefana avy any an-toerana, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana avy ao amin’ny hopitaly be sy ny distrikan’Ambositra. Nohararaotina nohazavaina tamin’ireo fianakaviana sy havan’ny maty ary ny mponina eo an-toerana izay nifanerasera tamin’ity nody mandry ity ny ezaka fanatonana tobim-pitsaboana haingana raha vao misy fambara mba iarovana ny ain’izy ireo sy ny an’ny hafa. Nandritra ny fanentanan’ireo mpitsabo ny mponina any an-toerana no namaritana ny fomba fifindran’ity aretin-dratsy ity, ny fisorohana tokony hotanterahina amin’izany, indrindra ny tsy fanaovana dokotera tena fa ahiana hanenenana ny fahatarana mamonjy toeram-pitsaboana toy izao tranga izao. Voalaza fa ny vanim-potoanan’ny famadihana no fitrangan’ity aretina ity, ary nodradraina fa ny volana aogositra ka hatramin’ny martsa no fisehoany.Nisy hatrany anefa ny pesta tamin’ity taona ity fa saron’ny raharaha politika, indrindra ny fampielezan-kevitra. Azo heverina fa mandrimandry manana aretina ny fitondram-panjakana amin’izao manoloana ireo valan’aretina izay mampidi-doza maro mianjady amin’ny olompirenena tahaka ity pesta ity, ny kitrotro ary ny fahasemporana mahazo ireo zazakely ka mameno ny hopitaly manerana ny Nosy. Tsy mbola tazan’ny vahoaka hatreto ilay fiarabe hopitaly tonga manatona ny marary eny anivon’ny distrika izay nampanantenaina. Maro koa no maty noho ny politikan’ny vidim-panafody izay midangana giazan’olom-bitsy eto amin’ny firenena. Ankoatra ny famerana ny vidina solika sy ny vary mora, miandrandra finiavana politika mazava avy amin’ny fanjakana mikasika ny fitsaboana maimaimpoana izay ao amin’ny fitondrana demokratika ny vahoaka Malagasy.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT