Fahasalamana

Amborovy - Mahajanga Mitily homamiadan'ny nono sy vozon'ny tranonjaza


  • Zoma 22 Desambra 2017

Hampiantrano ny hetsika faradoboka amin'ny fitiliana maimaimpoana homamiadan'ny nono sy vozon'ny tranonjaza ny fokontanin'Amborovy ao Mahajanga anio.

Noho ity fokontany ity somary lavitra, araka ny fahitan'ireo mpikarakara, dia ny Fondation Akbaraly sy ireo mpiara-miombonantoka aminy, dia ny Croix Rouge Malagasy sy Italiana no antony nanomezana tombony azy amin'izao faradoboka izao. Ny tontolo andron’ity zoma 22 desambra ity ao amin’ny CSB II Amborovy no hanantanterahana ny hetsika izay hitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon'ny tranonjaza sy ny nono ho an'ny vehivavy ao Mahajanga. Araka ny antontanisa dia 81 tamin'ireo vehivavy 3 074 notiliana no tsikaritra fa voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza ny taona 2016 no ho mankaty. Raha 62 tamin'ireo vehivavy 1 754  notiliana ny homamiadan'ny nono kosa no fantatra fa mitondra ny aretina ny taona 2014 hatramin’ny 2015 farany teo. Ireo fidangan'ny antontanisa ireo no nanery ny Fondation Akbaraly nanao io tolotra maimaimpoana io ho an'ireo vehivavy eny amin'ny fokontany Amborovy.  

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT