Fahasalamana

Ambolotarakely Ankazobe Notsirihina ny mety hifandraisan’ny pesta sy ny famadihan-drazana


  • Talata 20 Septambra 2022

Fotoana mbola mampahazo vahana tanteraka ny aretina pesta izao eto amintsika. Ao anatin’ny fotona famadihan-drazana ary hikirakirana ireo razana tahaka izao mantsy no mety

hitondran’ny voalavo izany aretina izany mivoaka ankoatra ireo olona narary dia maty ary manaparitaka izany amin’ny velona mikirakira azy indray. Mba hisorohana ity aretina ity tsy hianaka ary dia nidina ifotony, tany amin'ny tananan' Ampanokely, kaominina ambanivohitra Antakavana sy ny tananan'Ampanobe kaominina ambanivohitra Ambolotarakely ny ekipan'ny SDSP Ankazobe izay notarihin'ny Medecin Inspecteur, omaly.Fanentanana ny vahoaka amin'ny fahadiovan'ny tanana, fitsirihana ireo toeram-pitobian'ny voalavo ary famonoana parasy sy voalavo no tena natao tamin'izany. Na dia ratsy sy lavitra aza ny lalana mandeha any an-toerana dia natao ho lohalaharana foana ny fahasalamam-bahoaka hoy ireo tompon’andraikitra. Samy vonona ny hanao izay mety moa ireo mponina no sady hitandrina ihany koa amin’ny resaka famadihan-drazana hoy hatrany ny vaovao. Hatramin’ny volana oktobra moa mbola tena atahorana sy ahiana hatrany ny aretina pesta eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin’ireo mponina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT