Fahasalamana

Ambohitravao Talatamaty Tsy misy pesta izany, hoy ny Ben’ny tanàna


  • Talata 31 Oktobra 2017

Na dia efa nahoraka be aza ny feo fa aretina Pesta no nahazo ilay lehilahy iray nianjera nanoloana ny toeram-pivarotam-panafody tao Ambohitravao Talatamaty omaly maraina dia voaporofo omaly atoandro ihany fa tsy fahatsiarovan-tena nateraky ny fisotroan-toaka diso tafahoatra no nahazo ity farany.

 

 Ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba notronin’ny dokotera iray avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mihitsy mantsy no tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana no sady  nanindrona ny marary tamin’ny HTC amin’ny maha-mpitsabo azy ireo. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitalin’Anosiala ny marary taorian’izany mba hatao fitiliana ka fantatra  taorian’izany  fa aretina hafa no nahazo ity lehilahy ity fa tsy pesta izany.  Efa  nahatsiaro tena soa aman-tsara moa ilay ranamana ity  raha araka ny fanadihadiana natao, indrindra taorian’ny nahazoany ny fitsaboana sahaza azy. Miantso ny mponina ao Talatamaty mba ho tony tsara araka izany ny Ben’ny tanana hahafahana manohy ny fiainana andavanandro.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT