Fahasalamana

Ambohitrantenaina Imerintsiatosika Hanatanteraka didimpoitra faobe ny miaramila


  • Zoma 28 Jolay 2017

Hanatanteraka didimpoitra faobe ao amin’ny tanànan’Ambohitrantenaina Imerintsiatosika izay misy ny anjara tanin’izy ireo ny miaramila mivondrona ao amin’ny Service civique.

Ny 5 Aogositra ho avy izao no hanatanterahany izany any an-toerana ka zazalahy kely miisa 50 no ezahina hahazo tombontsoa. Dokotera miaramila ihany no hanao ny asa fandidiana. Ity no hetsika voalohany hotanterahin’izy ireo any an-toerana, ny kolonely Jules Randriamanirisoa, talen’ny kabinetran’ity sampandraharaha iray ity. Efa hanomboka hanajary ny tanànany ao Ambohitrantenaina mantsy ireo miaramila ka tsy maintsy mifanome tanana sy manampy ireo  mpiara-monina aminy. Nomarihin’ny kolonely fa miasa amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izy ireo.  Tafiditra ao  ny fanofanana ny olon-tsotra mba hilofo amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana. Anio zoma no hifarana ny fisoratana anarana ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka lahikely tsy vita fora. Hisy ny fanolorana malabary ho an’ireo ankizy nahavita nisoratra anarana mialoha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT