Fahasalamana

Ambohipo Nodiovina ny tsena


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Tsy mitsahatra manatsara sy manasoa ny tanàna ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.



Nanantontosa fanadiovana teny amin’ny tsenan’Ambohipo ny avy ao amin’ny boriborintany faharoa ny alatsinainy faha-23 oktobra 2017. Niara nisalaha tamin’ny fanantaterahana ny asa ny mpivarotra, tonga teny ihany koa ny mpamonjy voina nitifitra rano ary ny mpandraraka fanafody (DDT) hoentina miady amin’ny otrikar’etina. Mety hiteraka valan’aretina maro ny loto sy ny fako miangona, mahatonga ny fahatsetseman’ny lakandrano, mety hanelingelina ny mpiantsena ihany koa sns... Noho izany dia tsy maintsy handraisana fepetra hentitra.Efa ataon’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina matetika moa ny hetsika fanadiovana tsena tahaka itony mba ho tombotsohan’ny rehetra, na ny mpividy izany na ny mpivarotra. Anjara ny tsirairay ihany koa anefa ny mikajy sy mikojakoja izay tandrify azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT