Fahasalamana

Amboditevana Ambodivona Hahazo rano fisotro madio ny fokonolona


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Nody ventiny ara-bakiteny ny rano nantsakaina ho an’ny fokonolona Amboditevana ao amin’ny fokontany Ambodivona.

Tonga ny alakamisy teo ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana ny «borne fontaine» avy amin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace sy ny Tiako I Madagasikara distrikan’Ambohimanarina. Dingana efa vitan’ireto farany ny fametrahana kaonteran’ny Jirama mirefy 300 metatra. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana ny Fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ho fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina ity ezaka ity, hoy ny depiote TIM Rasoanoromalala Horace. Miasa, miasa ihany, miasa hatrany rahateo isika manaraka ny toromarika nomen’ny filoha Ravalomanana Marc, araka ny fanamarihany. Nesorina tamin’ny toerany ny herinandro lasa teo moa ny sefo fokontany Ambodivona niara-niasa mavitrika niaraka tamin’ny antoko TIM tamin’io tetikasa io. 

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT