Fahasalamana

Ambatoboeny Olona 4 no matin’ny SIDA


  • Talata 06 Desambra 2022

Ankoatra ny eto Antananarivo Faritra Analamanga dia mirongatra izaitsizy ny areti-mandoza SIDA any amin’ny faritra. Mitana ny laharana faharoa amin’izany ny ao Mahajanga.

Tsy mijanona ao an-drenivohitr’i Boeny irery izany fa tonga hatrany amin’ny distrikan’Ambatoboeny mihitsy. Raha araka ny loharanom-baovao voaray mantsy dia tafakatra 31 isa ireo olona fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/ SIDA voarakitra ao amin’ny CHD II any an-toerana amin’izao fotoana izao. Miisa 04 kosa ireo efa namoy ny ainy raha , miisa 02 ireo voatery nalefa any amin’ny hopitaly hafa nanomboka tamin’ny taona 2019. Tsy mifidy saranga na mahalahy sy mahavavy moa ny aretina SIDA. Ankoatra ireo mpifankatia dia anisan’ny tena manaparitaka ity areti-mandoza ity ihany koa ny fiarahan’ny lahy samy lahy. Be loatra mantsy ny mikraoba avy ao amin’ny lavaky ny fivoahan’ny maloto miditra any anatin’ny filahiana izay manafainga ny fahazoana ity areti-madoza iray ity.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT