Fahasalamana

Alakamisy Fenoarivo Hametrahana sampana miady amin’ny diabeta ny CSB II


  • Talata 23 Novambra 2021

Misimisy ihany ny olona tratry ny aretina diabeta any amin’iny faritra misy ny zanak’antitra eny Alakamisy Fenoarivo iny.

Mitovy ihany ny zava-nisy hoy ny Ben’ny tanàna Rakotobe Andrianaivo Christian tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17 tany ho any tany amin’iny faritra iny satria dia taranaka iray ihany no niitatra. Zary lasa manana io aretina io avokoa ny ankamaroan’ny mponina eny fa na dia izy Ben’ny tanana aza nefa tena lafo ny saran’ny fitsaboana. Anisan’ny antony nanaovan’izy ireo hetsika fitiliana ny aretina diabeta maimaim-poana izany ny faran’ny herinandro teo. Niarahany tamin’ny Lions Club Ambohibao Laka sy ny Leo Club Ankoay ny hetsika. Mihoatra ny 100 ireo olona tonga nandray anjara tamin’izany hatramin’ny 12 ora atoandro ka ny 5 tamin’ireo no fantatra fa tratra ity aretina diabeta ity, raha araka ny fanazavan-dRasolomanantsoa Hary, filoha nitantanana ny fikambanana Lion club Ambohibao Laka teo aloha. Tsy misy hisy araka izany ny fepetra horaisina hoy ny Ben’ny tanana. Anisan’ireny ny fananganana sampana miady amin’ny diabeta eo anivon’ilay CSB II iray vao natsangana hanampiana ireo tena sahirana. Ny mpanam-bola aza mila tsy haharaka hoy ity Ben’ny tanana ity mainka fa ireo tena sahirana izay zary miandry fahafatesana raha tsy misy ny fanampiana.
Pati
Legende : Marobe ireo olona tonga nitily ny aretina diabeta teny Alakamisy Fenoarivo ny Sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT