Airtel Madagascar sy ny ASM Efa-taona niadivana tamin’ny Vih

SIDA


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Efa-taona nifanomezan-tanana iadiana amin’ny otrikaretina Vih/ SIDA sahady ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar sy ny Association d’Aide et Soin aux Malades (ASM) tarihin’ny profesora Mamy Randria, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny hopitalim-panjakana Befelatanana eny ambony.

 

Efa-taona nifanomezan-tanana iadiana amin’ny otrikaretina Vih/ SIDA sahady ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar sy ny Association d’Aide et Soin aux Malades (ASM) tarihin’ny profesora Mamy Randria, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny hopitalim-panjakana Befelatanana eny ambony. Mbola vonona hatrany ny roa tonta  hifanampy sy hifanohana mandritra ny taona 2018 ho avy io hahafahana manampy ny mpiara-belona. Nivoitra izany  nandritra ny dinika nanaovan’izy ireo jery todika ny asa vita tamin’ny taona 2018 hahafahana miatrika ny taona vaovao 2018. Raha tsiahivina ny tantara dia faritra maro manerana ny Nosy no mahazo tombontsoa amin’ity fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny ASM ity. Anisan’izany ny ao Fianarantsoa, Antananarivo, Toamasina, Moramanga, Foulpointe, Mahajanga… Tamin’ny alalan’ny fametrahana hopitaly mandehandeha sy faritra natokana hitsaboana ireo marary no nahazoan’ny tsirairay tombontsoa tamin’izany, narahina fitiliana maimaimpoana ny aretina SIDA, toraka izany koa ny fitsaboana ireo marary, ny fanolorana fitaovana sy fanafody ho an’ny ASM nataon’ny Airtel. Tsiahivina moa fa anisan’ny andraikitra goavana noraisin’ny Airtel efa taona maromaro lasa izay ny fandefasana sms maimaimpoana ho an’ny mpanjifa mikasika ny fihetsika tokony hatao hiatrehana ny areti-mandoza SIDA.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT