Fahasalamana

Ahiana indray ny pesta 4 maty, 50 mahery arahi-maso


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Olona miisa 4 no namoy ny ainy tany Anjoma Nandihizana any amin’ny Distrikan’i Manandriana ny herinandro lasa teo. Ny alatsinainy 9 martsa no nisy iray maty, raha ny fampitam-baovaon’ny Depioten’i Madagasikara voafidy tany

 

 

Manandriana Atoa Fanomezantsoa Andrianjanahary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Ahiana ho pesta no nahavoa azy ireo. Mbola “cas suspect” izany hoe ahiana ho pesta raha tsy mivaly ny fitiliana avy any any amin’ny Institut Pasteur, fa ny tan-tsoroka ara-pahasalamana kosa dia efa mandeha, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. 2 no maty fa fahafatesana tao anaty fiarahamonina (décès communautaire) na hoe maty tsy namonjy hopitaly fa nanao dokotera tena. Ny iray maty ny talata 11 martsa, dia tsy nahazo taratasy fanamarinana fahafatesana tamin’ny CSB satria nampiahiahy saingy mbola niandrasana am-bohitra hatramin’ny faran’ny herinandro teo,  ka namindra tamin’ny olona maro,  ka nisy zaza 12 taona no narefo ka maty, hoy kosa ny mpitsabo. Ny ankoatra izay efa nahazo fitsaboana daholo. 5 notsindromina ary 50 mahery nomena fanafody maimaim poana daholo, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ny fanamarinana ofisialy avy amin’ny Institut Pasteur sisa andrasana, fa raha jerena amin’ny zava-misy dia tena pesta no misy sy mamely any Manandriana. Mila mailo sy mitandrina na ara-pahasalamana, ara-pahadiovana,… fa tena tandindonin-doza hatrany ny firenena. Vao tsy ela no nahatratra 630 tany ho any no matin’ny pesta teto amintsika, ka irariana mba tsy hisy intsony ny toy izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT