Fahasalamana

Ahiahy amin’ny valin’ny TDR Voalevina ilay ramatoa vao voaporofo fa tena matin’ny Pesta


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Hentitra ny minisitry ny fahasalamana nilaza fa ny dokotera eken’ny fanjakana ary manana ireo fitaovana manokana sy ny “Institut Pasteur” irery ihany no manamarina na tena voan’ny pesta na tsia ny olona iray.

 

Matetika miteraka savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina anefa izy ity satria mampisalasala ny vokatr’ilay fitiliana, na ela loatra noho ilay izy mbola alefa eny amin’ny “insttut pasteur” Avaradoha, hany ka tsy mahandry fa efa mandevina ny maty ny fianakaviana, tahaka ity tranga iray tany Toamasina ity.Tranga iray lasa manome tahotra ho an’ireo mpiara-monina sy ireo nifanosiosy tamin’ny maty ny tranga niseho tao amin’ny loto 127 “carreau III” Analakininina hopitaly be Toamasina parcelle 12/21-22 ny 27 oktobra teo. Maty tao an-tranony ny ramatoa iray, izay narary sy nahitana soritr’aretina mampiahiahy hoe pesta saingy tsy nentin’ilay rangahy vadiny. Nanao ny fitliana haingana (TDR) ihany anefa  ny mpitsabo ny PPH sy ny BMH Toamasina ny 27 oktobra, nefa noho ny fisalasalana tamin’izy ireo dia tsy maintsy nalefa teo anivon’ny “Institut Pasteur” ilay fitiliana ny tamin’io 27 oktobra io ihany. Ny alatsinainy teo anefa tsy nahandry ny valin’ny fitiliana ny fianakavian’ny maty ka nandevina azy tao amin’ny fasam-bahiny  Toamasina. Ny alakamisy  nivaly ilay fitiliana avy amin’ny “Institut Pasteur” ary voamarina fa matin’ny pesta tokoa ilay ramatoa izay tsara marihana fa nitonda vohoka. Efa nomena ny fanafody sahaza azy avokoa ireo olona nifanerasera azy taminy rehetra, efa norarahana fanafody ihany koa ny tokantrano nisy azy sy ireo manodidina rehetra.Saingy ny mampiahiahy dia sao misy tranga hafa tahaka izao any ambadimbadika any ka hanamora hatrany ny fiparitahan’ny pesta.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT