Ady homamiadan’ny

vozon’ny tranon-jaza


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Ao Vakinankaratra ny vaksiny faobe ny 8-12 desambra

Ny 8 hatramin'ny 12 desambra no hetsika fanaovam-bakisiny faobe hiadiana amin'ny homamiadan’ny vozon'ny tranon-jaza sy ny kitrotro, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy eo anivon’ny fiadidiana ny faritr’i Vakinankaratra omaly. Ireo zazavavy 9 hatramin'ny 14 taona no hisitraka ny vakisiny hisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ary ireo zazakely 6 volana hatramin'ny 23 volana kosa no hisitraka ny vakisiny hiadiana amin’ny kitrotro. Tao amin'ny "Le toit d'Antsirabe" no natao ny atrikasa narahina adisisika ho fanomanana ny hetsika fanaovam-bakisiny roa tonta, dia ny ady amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza sy ny kitrotro. Tompo-marika tamin'ny hetsika ny Fitaleavam-paritra misahana ny fahasalamam-bahoaka ary nandray anjara kosa ireo foibem-paritra isan-tsokajiny izay mahakasika ireo mpisitraka ny vaksiny. Eny amin'ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Vakinankaratra no hanaovana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ny 8 hatramin'ny 12 desambra izao. Mialohan'io fotoana io dia efa hanao fanentanana ireo mpanentana ara-pahasalamana, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT