Fahasalamana

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Lehibe ny anjara asan’ny vehivavy


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Nosokafana omaly talata 29 aogositra 2017 teny amin’ny Café de la Gare Soarano ny atrikasa lehibe karakarain’ny Tahiry iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fambolena (FAO), izay tsy hifarana raha tsy rahampitso alakamisy.

Mifototra betsaka amin’ny ady amin’ny fanamby hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izy io, ka tompon’andraikitra Malagasy sy kaomorianina hatramin’ny 50 avy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, ny jono, ny fitantanana ny loza voajanahary, tambajotram-behivavy avy eny ambanivohitra, sehatra tsy miankina, ONG no mandray anjara. Tanjona ny hanomezana lasitra ara-teknika ho an’ireo minisitera isan-tsokajiny eto Madagasikara sy Kaomoro miampy ireo mpiara-miombon’antoka aminy avy. Kendrena ny hananana ireo fahalalana sy pitsopitsony maro hahafahana manana politika sy fahaiza-manao mifandraika amin’ny programa sy tetikasa momba ny fambolena, ny fanjarian-tsakafo ary ny fitantanana ireo harena voajanahary. Eo ihany koa ny fandalinana mialoha sy ny tombana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra, mba hahazoana antoka sy hamantarana ireo sehatr’asa tena mamaly sy mamaha ireo toe-javatra miiba tao anatin’ny tombana. Hamoraina ihany koa ny tambajotra hahafaha-mampiroborobo ny fahaleovantenan’ny vehivavy eny ambanivohitra. Voasokajy ho andry lehibe eo amin’ny  sehatry ny fambolena rahateo ny vehivavy eny ambanivohitra, izay mandany fotoana bebe kokoa hifantohana amin’izany mitaha amin’ny lehilahy. Eo amin’ny sehatry ny jono ihany koa, ohatra, dia izy ireo no miantoka ny fanamainana, ny famarotana ireo vokatra. Manana andraikitra lehibe eo anivon’ny tokantrano ny vehivavy, ka zava-dehibe ny fikatsaham-bahaolana mba hananany fahaleovantena amin’ny lafiny rehetra, mba hahafahany tena mampandroso ny ankohonany mipaka amin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT