Fahasalamana

Ady amin’ny tazomoka Misy manodinkodina fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana


  • Talata 23 Febroary 2021

Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala

Jean-Louis ampahibemaso nandritra ny fananganan-tsaina, omaly alatsinainy 22 febroary 2021 fa mirongatra be ankehitriny ny tazomoka. Efa mandray ny fepetra mifandraika amin'izany ny Ministera, hoy izy. Nisy ny famatsiana "test de diagnostique rapide" ho an'ny aretina tazomoka miisa 1550 ho an'ny "Programme paludisme". Fantatra fa betsaka hoy ny Minisitra ireo olona manodinkodina ireo fanafody entina hiadiana ny aretina tazomoka eny amin'ireny tobim-pahasalamana ireny. Misintona ny sain'ny tsirairay ny minisitra hanajanona ny fihetsika mambotry firenena tahaka izany. Nahazo alalana hanaparitaka ny lay misy odi-moka ihany koa ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary mampirisika ny tompon'andraikitra tsirairay ny Minisitra mba handray ny andraikiny hahatonga tokoa ireo fitaovana ireo any amin'ireo izay tokony hisitraka izany. Nanentana ireo Mpiasan'ny fahasalamana isan-tsokajiny ny Minisitra hanaja hatrany ny fanomezana tolotra manaja ny maha-olona, sy ny fanafoanana ny kolikoly eny anivon'ireny tombim-pahasalamana ireny. Fa nampahafantarin'ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean-Louis io omaly io koa fa efa apetraka sahady ny "Plan Covid ririnina" izay entina hiadiana ny valanaretina Coronavirus mandritra ny vanim-potoana mangatsika, fotoana mampirongatra aretina maro.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT