Fahasalamana

Ady amin’ny radakaboka mety hitera-doza Nanome 3,6 miliara Ar ny Orinasa Ambatovy


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Natomboka ofisialy ny fiandohan’ny herinandro tao amin'ny valanjavaboahary Ivoloina - Kaomina Antetezambaro - Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana ity ady ara-tontolo iainana goavana ity,

 tetikasa hiadiana sy hanalefahana ny voka-dratsin'ny "Radakaboka" na "crapaud asiatique". Araka ny Didim-pitondrana laharana 007-2021 /REG - ATS noraisin'ny avy eo anivon'ny Faritra Atsinanana dia sokajiana ho biby mpanimba mihanaka ny Radakaboka na "crapaud asiatique". Ny radakaboka dia karazam-biby mamono sy mihinana ny rohin-javamanan’aina rehetra tratrany ka atahorana hamotika ny rohivoahary ao amin'ny Faritra Atsinanana. Ny Faritra Atsimon'i Toamasina hatrany Analalava no tena ahitana ny radakaboka. Tombanana ho manodidina ny 20 tapitrisa ny radakaboka any amin'ny Faritra Atsinanana ary ahiana ny hitomboan'izany haingana satria manatody hatramin'ny 10 000 isa ny radakaboka iray. Izay indrindra no mahazava-dehibe ny tetikasa hiadiana sy hanalefahana ny vokadratsin'ny radakaboka ity, hoy ny Minisiteran’ny tontolo iainana. Nanokatra ity ady ara-tontolo ity ny Minisitra Ramatoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina niaraka tamin'ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana siantifika,… nahitana ny ONG Madagascar Fauna and Flora Group (MFG), ny Orinasa Ambatovy, ary ireo Vondron'olona ifotony (VOI). 3,6 miliara Ariary no entin’Ambatovy hanohanana ity ezaky ny Fanjakana, ny Madagascar Fauna & Flora Group ary ireo mpiombon-tsehatra rehetra. “Manoloana ny hamehana rehetra dia anjarantsika tsirairay ny mandray andraikitra, arakaraka izay fahafahany avy, ho fitsinjovana ny fiarahamonina. Izany indrindra no mahatonga an’Ambatovy mitondra ny anjara birikiny amin’ireo hetsika vonjitaitra maro samihafa toy ny tolotanana aorian’ny rivodoza, ny ady amin’ny pesta, ary raha ny tato ho ato, ny ady amin’ny valanaretina Covid-19”, hoy ny orinasa Ambatovy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT