Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Nodiovina ny tsenan’Anosibe, Namontana…


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Roso amin’ny fanadiovan-tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny SAMVA ary ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary, hotronin’ny minisiteran’ny rano hahafahana miady amin’ny pesta.

 Teny amin’ny tsenan’Anosibe no nisantaran’izy ireo izany ny alatsinainy teo  ao anatin’ilay hetsika “opération coup de point” ka daban-jaoridira enina no nodiovina tamin’izany manana halalina 20 m3 isanisany. Kamiao telo lehibe no indray nitatitra sy nanala ireo fako izay fantatra fa mbola niampy daban-jaoridira roa  hafa  teny amin’ny manodidina ihany koa. Nitohy teny amin’ny tsenan’i Namontana, Ankadimbahoaka ary Soanierana nyhetsika omaly talata, haharitra herinandro ary hiparitaka amina Boriborintany miisa enina. Ankoatra ny asa fanalana ireo fako mivangongo moa dia fantatra fa misy ihany koa ny fanondrahana ranom-panafody ireo toerana hanaovana ny hetsika hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Voakasika ireo lakandrano tsentsina. Tsiahivina fa  vokatry ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanany no anisan’ny antony tsy nahafahan’ny SAMVA nihetsika teo aloha teo. Efa voavaha avokoa ny ankamaroan’ny olana ankehitriny koa manainga ny vahoaka mba tsy hanary fako eny rehetra eny izy ireo satria izay tsy mandoto dia efa naman’ny manadio.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT