Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Nitondra ny anjara birikiny ny BNI


  • Zoma 03 Novambra 2017

Manoloana ny firongatry ny aretina pesta eto amintsika dia tsy nitazam-potsiny ny banky BNI amin’ny maha mpiara-miombon’antoka azy ireo amin’ny fanatsarana ny asa sosialy eny anivon’ny fiaraha-miasa.

Tonga nitondra ny anjara birikiny teny anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary izy ireo afak’omaly, tamin’ny alalan’Atoa Barijaona Ramaholimihaso, mpanolotsain’ny tale jeneralin’ity banky iray ity. Nandray izany Atoa Venty Thierry, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny BNGRC, fanampiana nahitana trano lay sy fandriana picot am-polony maro. Natao hanampiana amin’ny ady amin’ny valanaretina pesta amin’ny alalan’ireo barazy hapetraka  eny an-dalana ireto  fitaovana ireto ka tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny enivon’ny fokontany. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’ny BNGRC izao fihetsika  maha te ho tia nasehon’ny banky BNI azy ireo izao, izay nohamafisin’Atoa Barijaona Ramaholimihaso fa  fihetsika tokony hatao ho fiarovana ho fahasalaman’ny mpiara-belona.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT