Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Nanome fitaovana mitentina 1,5 miliara Ar ny Sinoa


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana mitentina hatrany amin'ny 1,5 miliara ariary hiatrehana ny ady amin’ny valanaretina pesta ny governemanta sinoa.

 Nahitana fandriana, solomaso fiarovana, baoty fiarovana, aron’ankanjo, masque FFP2, "masque chirurgical", seringue 5cc, combinaison. Natolotra omaly alarobia 8 novambra 2017 tao amin'ny Ivontoeram-pitehirizam-panafody SALAMA eny Tanjombato izany ka ny masoivoho Yang Xiaorong no nisolotena ny fanjakany. Ankoatra ireo, efa nisy manampahaizana sinoa tonga teto Madagasikara nanomboka tamin'ny faran'ny volana oktobra hiara-kiasa amin'ny dokotera sy ny mpiasan'ny OMS. Tonga nandray ny fitaovana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, notronin'ny minisitry ny fahasalamana sy ny minisitry ny rano sy ny angovo ary ny akoranafo, ary ny solontena maharitry ny Sampan-draharaha Iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS eto Madagasikara. Nisaotra manokana ny governemanta sinoa ny praiminisitra, izay nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny fanjakana manontolo. Notsiahiviny fa teo foana ny fanjakana sinoa tamin’ny fotoan-tsarotra, raha tsy hilaza afa tsy ny tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Tsy adinony ihany koa ny nisaotra sy nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitsabo, izay tsy nikely soroka indrindra tamin’ny fotoan-tsarotra noho ny fisian’ny valanaretina pesta. Nilaza kosa ny masoivoho sinoa Yang Xiaorong, fa hivoaka mpandresy manoloana ny pesta isika noho ny fanampiana iraisam-pirenena, izay inoany fa hery lehibe hanafaka an’i Madagasikara ao anatin’izao olana lehibe izao. Manantena ihany koa ny tenany fa na ho ela na ho haingana dia ho maro ireo mpizahatany sinoa, mpampiasa vola ho avy eto, mba hanampiana an’i Madagasikara sy ho fitohizan’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny tany roa tonta.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT