Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Nanome 2 tapitrisa dolara ny Amerikanina


  • Zoma 01 Desambra 2017

Nambaran’ny ambasadaoro amerikanina Robert T. Yamate omaly ny fanomezan’ny tahirim-bola natokana ho an’ny hamehana ao amin’ny Sampandraharaha Amerikanina ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID),

fanampiana mitentina 2 tapitrisa dolara ho an’ny vahoaka Malagasy hahafahany miatrika ny ady atao amin’ny valanaretina pesta amin’ity taona ity. Mitotaly 3,5 tapitrisa dolara ny fanampian’ny Amerikanina iadiana amin’io aretina nahazo laka tampoka io. Na dia mihena aza ny isan'ny tranga amin’ny tanàn-dehibe, dia ao anatin’ny vanim-potoana ahitana trangan’aretina pesta maro isika, ka ilaina ny fitandremana mba tsy hiverenany sy tsy ihanahany any amin'ny faritra ambanivohitra sy faritra maha mateti-piavy azy, izay iainan’ny 66%-n’ny Malagasy, hoy ny Amerikanina.  Hampiasaina ity famatsiam-bola ity hitsaboana ny marary, hanomezam-baovao ny vahoaka, ary hampirisihana ny vondrom-piarahamonina eran’i Madagasikara handray andraikitra mavitrika. Natao ihany koa mba hanamafisana ny fisorohana mialoha ny aretina ary hanatsarana ny fahaiza-manaon'ny laboratoara sy ny fitiliana ara-potoana. Hanome fanafody tena ilaina sy fitaovana fiarovan-tena ary fanafody hafa ihany koa ny USAID.  Nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny USAID sy ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny fampandrosoana ary ny fanjakana Malagasy teo amin’ny fifehezana ny valanaretina pesta aty an-tanàn-dehibe, hoy ny Ambasadaoron’i Etazania. Sehatra sy rafitra efa misy no ampiasain’ny USAID hanampiana ny ezaka ataon’ny fanjakana Malagasy hiady amin’ny aretina satria mbola ao anatin’ny vanim-potoana isika izao”, hoy izy. Miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka miasa any amin’ny faritra 15 amin’ny 22 eto Madagasikara, dia hanohy ny asa ny tambajotra tohanan’ny USAID izay ahitana mpanentana ara-pahasalamana miisa 15.000, lehiben’ny fokontany sy fikambanam-behivavy hiara-misalahy amin’ny fanjakana. Mahatsapa ny governemanta Amerikanina fa ilaina hatsaraina ny serasera, ny fanentanana sy ny fandraisana andraikitry ny fiarahamonina. Entina manampy ny gazety sy ny fampahalalam-baovao ary ny fampielezam-peo ity famatsiam-bola ity mba hahazoana antoka fa vaovao marina no alefa any amin'ny vahoaka Malagasy mikasika ny pesta. Hiara-miasa akaiky amin'ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka amin’ny USAID dia ny JSI Research and Training Institute, Management Sciences for Health, Population Services International, ny Institut Pasteur de Madagascar ary ny JHPIEGO.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT