Ady amin’ny pesta Nanolotra fitaovana mitentina 600 tapitrisa Ar ny PSI

USAID


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Nanaiky ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana fa tsy mbola foana ny aretina pesta eto amintsika. Mbola mitohy hatrany ny ady, hoy izy,

 

 satria mbola amin’ny volana aprily vao hifarana tanteraka ny fotoana  hiparitahan’ny valanaretina pesta eto amintsika. CSB II miisa 30 manerana ny Nosy no hovatsiana fitaovana manara-penitra. Ivontoerana hahafahana manapotika ireo karazana loto avy any amin’ny hopitaly izy io toy ireo karazana tavoahangy nisy fanafody nitsaboana olona, ny vovondandihazo izay tsy tokony hifangaro amin’ny fako avy any an-tokantrano mba tsy hiparitahan’ny mikraoba. Ny PSI/ USAID no namatsy ireo fitaovana ireo izay mitentina hatrany amin’ny 600 tapitrisa Ar. Ankoatra izay dia notolorana tavoahangina Sur’Eau miisa 100.000 niampy kojakoja maro samihafa ihany koa ireo tobim-pitsaboana ireo. Tanjona amin’izany moa ny hiarovana ny aretina pesta tsy hiparitaka, indrindra raha misy marary tonga eny anivon’ny tobim-pitsaboana. Tsiahivina moa fa manampy amin’ny fanofanana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny hopitaly ihany koa ny PSI/USAID.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT