Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Nahazo 33,5 miliara ariary i Madagasikara


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

Nisy ny fivoriana manokana niarahan’ny fitondram-panjakana Malagasy notarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly an-kilany sy ny masoivoho vahiny omban’ireo fikambanna iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara an-daniny.

Nisy ny fivoriana manokana niarahan’ny fitondram-panjakana Malagasy notarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly an-kilany sy ny masoivoho vahiny omban’ireo fikambanna iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara an-daniny. Ady amin’ny pesta no votoatin-dresaka. Natao izao mba hanomezana ny vaovao marina sy mitombina ho an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara mba hampisinda ny ahiahy, hoy ny praiminisitra. 500 no mararin’ny pesta eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny fahasalamana ny Pr Lalatiana Randriamanarivo ary 49 no maty, izay no tarehimarika ofisialy sy voamarina tsara. Nanambara kosa ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana fa ao anatin’ny « grade 2 » izany hoe ny sokajy faharoa no misy an’i Madagasikara amin’ity aretina pesta ity, midika izany fa mbola afaka mifanerasera tsara amin’ireo firenena hafa isika, hoy ny praiminisitra ary tsy misy ny tokony hatahorana satria mandeha ny asa sy ny ezaka rehetra amin’ny fifehezana ny valan’aretina. Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny OMS, ny Usaid Amerikanina sy ny BNGRC ary ny governemanta amin’ny ady ho famongorana ny pesta. Nanokana vola 9,5 tapitrisa dolara ny firenena mikambana ho amin’izany ary ho avy tsy ho ela eto Madagasikara ny manampahaizana manokana momba ny pesta 40 mianadahy izay nalefan’ny firenena mikambana. Efa nanolotra 1,5 tapitrisa dolara moa mialoha izao ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) mba hanampiana an’i Madagasikara amin’ny famongorana ny pesta.11 tapitrisa dolara na 33,5 miliara ariary izao ny vola azon’i Madagasikara mba hiadiana amin’ny pesta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT