Fahasalamana

Ady amin’ny pesta Hisy ny fanadiovana faobe manerana an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Nifantoka tamin’ny ady atao amin’ny valanaretina pesta ny fandaharana “fotoam-bita” fanaon’ny filoham-pirenena isan-kerinandro hanazavany ny tara ho fantatra mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny.

  Ny pesta no efa nandripaka tao anatin’ny 2 volana. Efa ao anatin’ny sokajy faharoa ny aretina, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Noho izany, mila hamafisina ny ady ary hahetsika hatrany ireo rantsa-mangaika rehetra. An’arivony ireo mpilatsaka an-tsitrapo mirotsaka eny amin’ny fokontany. Manerana ny faritra 22 koa dia efa tafapetraka ireo fiara fitsaboana mandehandeha ka azo alaina any an-tranony avy hatrany ireo marary. Hisy ny fotoana manokana hanaovana fanadiovana faobe manerana ny nosy izay mbola hampahafantarina mandritry ny filankevitry ny minisitra manaraka  ny andinindininy. Efa nahoraka tamin’ny herinandro teo ny mety hisiana 3 andro hampiatoana ny asa aman-draharaha rehetra hanaovana ny fanadiovana faobe ary nampametra-panontaniana ny mpanao politika toy ny filohan’ny antoko PLD, Sarah Rabearisoa, hoe ho zakan’ny Malagasy ve ny tsy miasa telo andro ? Iray andro aza izy sahirana vao mahita hanin-ko hanina.

J. Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT